1.Ry Jesoa ô! Ry Zoky be fitia
Ndreto izahay zandrinao
Vonona sady faly hiara-dia
Hianatra ny teny masinao
2.Jehovah ô! Ianao no tokinay
Sy aro sady tanjakay
Hanatanteraka ny fikasanay
History ny filazantsaranao
3.Ny voninahitra ho an’ny Ray
Sy Zanaka, Fanahy koa
Aterinay anio, mandrakizay
Ety an-tany hatrany an-danitra
Fiverenana: Eny, arovy ka vimbino tsara
Ho mendrika izahay
‘Zay mampiasa ny Filazantsara
Mba ho fiainanay
Amena