Mitoria


Retour

1.Mbola maro sesehena

Ireo tsy mahalala akory

Ny tombon-tsoan’ny famonjena

Ka miandry anao hitory

Malakia sao diso aoriana

Ento anio dia anio ny teny

Ambarao am-pahasahiana

Ny amin’ny Tompo mba ho reny

 

2.Ndeha satana afatory

Handeha poteho tsy hanan-kery

Koa mandehana ny Mpitory

Aza avela hisy very

Ireo fanahy an’alinkisa

Tian’I Jesoa ho voriana

Ento ho any am-paradisa

Lozan-tsika raha hangina

Fiverenana:     Atosahy ny herinao

                        O! ry Tompo be fitia

                        Mamirata Ianao

                        Hazavao ity tany ity

 

Amena

Numéro de page - 379