1.Ravaho satrok’Andriana
Ny Zanak’Ondry soa
An-danitra ny fihobiana
Maredona tokoa
Ry foko ô! Hobio!
‘Lay maty ho anao
Mpanjaka tokana Izy io,
Mandrakizay hajao
2.ny Zanak’I Maria
Solofon’I Jese
Mirava-pandresena ary
Fa feno hery be
Ravaho satrok’Andriana
Hanjaka ao Salema
Fa loharanom-pitahiana
Hatrany Betlehema
3.Andriam-pitiiavana
‘Lay nolefonina
Izao misalotra avana
Tsy hay tononina
Anjely marobe
Miondrka sy gina
Izao no antsontsika hoe:
Ravaho satrok’Andriana
4.Tompom-piadanana
Mpampandry fehizay
Ny sandriny an-kavanana
Hampiavana indray
Ka eran-tany anie
Tsy hisy fandrafiana
Fa fihobiana no ho re:
Ravaho satrok’Andriana
5.Ravaho satrok’Andriana
‘Lay Tompon’ny fotoana
Ny kintana ‘zay nohariana
Mihodina eny foana
Ry maty mba ho ahy
Mpanjaka be fitia
Hihoby Anao aho ry Mpitahy,
Mandrakizay doria