He! ry mino mihirà


Retour

1-He! ry mino mihirà

Voninahitra anie

Hoan'Andriamanitra

Misy vonjy lehibe,

Mihobia, ry tany izao,

Miderà, ry lanitra o!

Teraka Imanoely:

Voninahitra anie:

Ho an'Andriamanitra,Fiadanan-dehibe

Ho an'olombelona:

Teraka Imanoely

 

2-Mihirà, Anjely o,

Voninahitra anie

Ho an'ny Mpanjakanao!

Mamalia, ry olona e!

Nandry 'zao tontolo izao,

Fan anjely marobe 

'Njay nihira mafy hoe:

Voninahitra anie,...

 

3- Mba hirao ankehitrio,

Voninahitra anie

An'Jesoa, ka hobio

Amin-kafaliana hoe:

Arahaba, Tomponay,

Teraka ho avotray,

Zanak'Andriamanitray,

Voninahitra anie,...

Numéro de page - 357