1- Ry Jesoa, ny Anaranao,
Derain'Anjely izao!
Koa avy izahay hanoa,
Sy hiondrika Aminao;
Hobio, derao ny Tomponao
Sy Andriamanitrao,
Mpanala rofy be;
Ka avia derao hoe:
Arahaba, Kristy o!
2-Mpiandry ondry fahizay
Nandre ny lazanao,
Ka tonga hiankohoka
Ao an-tranon'omby ao,
Hobio,...
3-Indreo koa vahiny izao,
Nidodododo tao,
Ka ohatray madinikao
Izay midera Anao,
Hobio,...
4-Ny nofonay malemy koa
No notafianao,
Ka dia nasandratrao tokoa
Handova lanitra ao,
Hobio,...
5-Na be mosary aza aty;
Ry Tompo Sambatra o!
Matoky izahay izao
Fa manana Aanao,
Hobio,...