Apetrako eo an-tananao


Retour

Apetrako eo an-tànanao ny asako tsy haiko

Apetrako eo an-tànanao izay vitako ry Raiko

Apetrako eo an-tànanao ny làlana kasaiko,

 Fantatro fa mahatoky Ianao

 

Apetrako eo an-tànanao ireo havako lalaiko

Apetrako eo an-tànanao ny vesatry ny saiko

Apetrako eo an-tànanao ny ho toetrako ry Raiko,

Fantatro fa mahatoky Ianao

 

Maminay ny endrikao sy handre ny feonao

Sitrakay ny hidera Anao fa fy ny Anaranao

Sitrakay ny hiara-dia sy honina Aminao

Fantatray fa mahatoky Ianao

 

Tiako ny hiaraka Aminao sy hanao ny asanao

Hanonina ireo teny soa ambaranao koa

Ho tiako anie ireo zanakao natsoina mba ho Anao

Fantatro f’iray izaho sy Ianao

 
Numéro de page - 377