Ao ambanin’ny Lakroa
Anomezan’ny Mpamonjy
Aina sy fiononana
Toy ny indrafony be,
Famantaram-pamonjena
Azon’olombelona.
Ao akaikin’ny Lakroa,
Hijereny an’Ieso
Feno fitiavana.
Hanatonanay anao ;
Asehoy ny famonjenao
Sy ny voninahitrao.
Amena.
Ny mpitarika. Ry Jesoa Kristy Mpamonjy tokana ô, indreto izahay mpanomponao mandohalika eto anatrehanao ; mifona aminao izahay, mamindrà fo aminay sy amin’ny fanahin’ny Kristiana izay efa lasa nodimandry. Omeo anay rehetra ny fahasoavanao sy ny herinao izay vokatry ny Fijalianao.
Malahelo izahay noho ny fahotanay ary mibebaka marina tokoa ny zava-dratsy rehetra nataonay izay niaretanao ny fijaliana mafy sy ny fahafatesana teo ambonin’ny Hazo fijaliana. Aoka izao fieritreretanay ny Làlan’ny Hazo fijaliana izao no hampitombo ao am-ponay izany fibebahana marina izany mba hozakainay amim-paharetana ny fahoriana sy ny fijaliana izay manjo anay eto amin’izao fiainana mandalo izao.
Dia ataon’ny mpiangona rehetra :
Rainay Izay any an-danitra …
V. Tompo ô, sokafy ny molotray.
R. Dia hanambara ny fiderana Anao ny vavanay.
V. Andriamanitra ô, faingàna hamonjy anay.
R.Tompo ô, faingàna hanampy anay.
V.Ho an’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina anie
Ny voninahitra ;
R. Tahaka ny hatramin’ny taloha sy ankehitriny ary mandrakariva ho mandrakizay doria. Amena.
Dia mitsangana izy rehetra ary mandeha ho any amin’ny
FIJANONANAna voalohany, ka atao izao hira manaraka izao :
Na ity :
He ! maintso ‘lay havoana Avia re, ry havana
Ivelam-bohitra, Avia mba hisaona isika
Dia lehy nanomboana Fa maty ny Mpanavotra
Ny Tompon-danitra. Voahombo Ieso Tompontsika