(Amin’ny farany ny mpitondra Lakroa, sy ny mpitondra jiro, sy ny mpanao Solo ary ny Mpitarika dia samy miverina amin’ny toerana niaingany voalohany avy ; ary ny olona rehetra dia samy miverina eo amin’ny fipetrahany. Ny mozika dia tsy mijanona raha tsy tonga amin’ny toerany izy rehetra. Dia mandohalika ny olona rehetra afa-tsy ny Mpitondra ny Lakrao sy jiro ary dia ataon’ny Mpitarika hoe ) :
Aoka isika hivavaka,
Tompo ô, mamindrà fo aminay,
Kristy ô, mamindrà fo aminay,
Tompo ô, mamindrà fo aminay.
Rainay Izay any an-danitra, Hohamasinina anie ny Anaranao ; Ho tonga anie ny fanjakanao : Hatao anie ny sitraponao ; Ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. Ary mamelà ny helokay, tahaka ny amelanay izay meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amena.
Andriamanitra Tsitoha sy mandrakizay ô, noho ny fitiavanao ny olona dia nirahinao Jesoa Kristy Zanakao Mpamonjy anay mba ho tonga nofo, ka hiaritra ny fahafatesana tamin’ny Hazo-fijaliana hanarahan’ny olona rehetra ny fanetren-tenany lehibe ; koa omeo fahasoavana izahay mba hanarahanay ny diany tamin’ny niaretany, ka ho tonga mpiombona amin’ny fitsanganany tamin’ny maty koa ; amin’ny alalan’Jesoa Kristy Tomponay. Amena.
(Dia hohirain’ny olona rehetra izao, ka ny mozika mitovy amin’ny hira manaraka ny fivavahana voalohany no atao).
Ry Tompo, aoka harahinay
Ny dian-tongotrao,
Namaky làlan-tsarotra
Sy feno loza koa ;
Ka dia ho tratranay anie
Ny Fitsangananao.