Raisin’ny fasana ny Tompon’ny aina. Toy ny nandehanan’ny Fiaran’ny Fanekena làlan-kateloana mba hitady fitsaharana ho an’ny Zanak’Israely, dia toy izany koa no nandehanan’ilay tena Fiara nitady fitsaharana ho antsika ; ka hatramin’izay dia « Sambatra ny maty dia izay maty ao amin’ny Tompo ».
Jesoa Isaorana ô, raha avy ny fotoana hialanay eto amin’ity fiainana ity, dia tongava Hianao mba hitantana anay hita ilay ony maizina sy hamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana ; ary aoka izahy mba hatoky sy ho vonona lalandava raha tonga izany fotoana izany.
Andriamanitra ô, noho ny nanaovana Batisa anay ho amin’ny fahafatesan’ny Zanakao Iaorana, Jesoa Kristy Mpamonjy anay, dia aoka ho vonoina lalandava ny filan-dratsinay, mba hiarahanay milevina Aminy, ka ny fasana sy ny fahafatesana no ho làlana handrosoanay ho amin’ny Fitsanganana mahafaly ; amin’ny alalan’Jesoa Kristy Zanakao Tomponay. Amena.
Ny olona : Kristy ô, tahio
‘zahay Mba ho tia Anao kokoa.
Solo : Miora zava-manitra,
Entina ahosotra Tenany halevina
‘Zay tsy maintsy hiarina
Ny olona : Aoka hatsangana izahay
Tahaka Anao, ry Ieso ô.
Prosesiona : Avy taminay ihany
‘Zao manjo Anao izao ;
Raiso ny fifonanay,
Ry Mpamonjy tsara ô.