Fijanonana 9


Retour

Lasa nody ny vahoaka rehetra afa-tsy ny Renin’ny tompo sy ilay mpianatra tiany azy ny sakaizany vitsivitsy. Tonga eo ampototry ny Hazo-fijalina Josefa avy any Arimatia sy Nikodemosy ary nampidinina ny Tenan’ny Tompo. Vita ny asany lehibe, dia ny asa fanavotana.

Ry Jesoa Kristy ô, Hianao nanatanteraka ny asa nokasainao hatao ; omeo faharetana izahay amin’ny fanatontosana ny adidy izay efa nomenao hataonay.

Andriamanitra Tompo Masina ô, Tompo mahery Mpamonjy mamindra fo, manafaha anay mba tsy hiharan’ny ngidin’ny fahafatesana mandrakizay ; amin’ny alàlan’Jesoa Kristy Tomponay. Amena.

Ny olona : Kristy ô, ahio ‘zahay

Mba ho tia Anao kokoa.

Solo : Indro ampidininy

‘Lay nanolotra ny ainy teo

Entin’ny sakaizany,

Amim-panajana be.

Ny olona : Aoka re ny olonao

Hiafara toa Anao.

Prosesiona : Avy taminay ihany

‘Zao manjo Anao izao ;

Raiso ny fifonanay,

Ry Mpamonjy tsara ô.

Numéro de page - 3