Fijanonana 8


Retour

Efa niteny ny teny fito feno fitiavana Izy izao ; efa vitany ho antsika avokoa ny zava-drehetra. Manondrika ny lohany Izy izao, ka manaiky ho faty ary manokotra ny ainy amin’ny Rainy.

Ry Jesoa Isaorana ô, Hianao dia maty teo amin’ny Hazo fijaliana noho ny fitiavanao anay. Aoka izahay ho tia Anao tokoa ary ho vonona hanaraka anao, na dia hatramin’ny fahafatena aza.

Andriamanitra Masina sy mamindra fo ô, Mpitsara marina sy mandrakizay ô, aza avela hiala Aminao izahay noho ny fampangirifirian’ny fahafatesana, raha mby eo am-bavahoana ; amin’ny alàlan’Jesoa Kristy Tomponay. Amena.

Ny olona : Kristy ô, tahio ‘zahay

Mba ho tia Anao kokoa.

Solo : Vita re ny adiny,

Tapitra ny teniny

Lohany aondriny,

Ainy koa atolony.

Ny olona : Raha tapitra andronay,

Ainay raiso, Ieso tia.

Prosesiona : Avy taminay ihany

‘Zao manjo Anao izao ;

Raiso ny fifonanay,

Ry Mpamonjy tsara ô.

Numéro de page - 2