Sady menatra no malahelo isika manontany Azy hoe « Inona ireny ratra amin’ny Tenanao ireny » ? Ka valiany hoe : « Ratra azoko tao an-tranon’ny sakaizako ». Menatra isika satria fantatsika fa ny fahotantsika no fantsika nanombohana Azy tamin’ny Lakroa.
Ry Jesoa Kristy ô, izay mifantsika amin’ny Hazo fijaliana, aoka ny fonay mba hifikitra amin’izany koa. Ary noho ny iombonanay fijaliana Aminao eto an-tany, dia mba ho azonay antenaina koa ny hiara-manjaka Aminao any an-danitra rahatrizay.
Andriamanitra Masina sy mamindra fo ô, mifona Aminao izahay, noho ny Zanakao nohomboana tamin’ny Hazo-fijaliana sy niaritra ny fahoriana be ary nandatsaka ny Rany soa indrindra mba hamonjy anay, dia vonjeo sy ampio izahay ; amin’ny alàlan’Jesoa Kristy Tomponay. Amena.
Ny olona : Kristy ô, tahio
‘zahay Mba ho tia Anao kokoa.
Solo : Ô ! mitsangana izao
Hazo maina sy marao ;
Tànana aman-tongony
Samy nofantsihany.
Ny olona : Izahay nanombo koa,
O, indrisy, avelao.
Prosesiona : Avy taminay ihany
‘Zao manjo Anao izao;
Raiso ny fifonanay,
Ry Mpamonjy tsara ô.