Fijanonana 6


Retour

Vonona hatao fanatitra izao ny Zanak’Ondry masina ; esorina amin’ny Mpamonjy ny fitafiany, nefa tsy noheveriny ny henatr’olona, mba hampianatra antsika fa misy heverin’olona ho henatra nefa tena voninahitra tokoa.

Ry Jesoa Isaorana ô, nitondra henatra sy latsa Hianao noho ny asanay mahamenatra : koa ampio izahay mba hahaizanay mibebaka marina tokoa na dia mahamenatra aza izany mba hahazoanay ny famelan-keloka tanteraka.

Andriamanitra ô, tena toetrao ny mamindra fo sy ny manafaka mandrakariva : raiso ny vavaka ataoanay amimpanetren-tena ; ary na dia voagadran’ny fahadisoanay aza izahay, dia aoka ny famindramponao no hanafaka anay, ho voninahitr’Jesoa Kristy Mpanalalana sy Mpisolovava anay. Amena.

Ny olona : Kristy ô, tahio ‘zahay

Mba ho tia Anao kokoa.

Solo : Hianao niaritra

Zava-mahamenatra

Aoka koa izahay

Mba hizaka ny anay.

Ny olona : Tompo ô, ampio ‘zahay

Hahazaka henatra.

Prosesiona : Avy taminay ihany

‘Zao manjo Anao izao ;

Raiso ny fifonanay,

Ry Mpamonjy tsara ô.

Numéro de page - 0