Malahelo izy ireo noho ny fahoriana be hitan’ny masony, kanefa tsy fantany izay antony. Ny Tompo kosa, na dia tao anatin’ny fijaliana mafy aza, dia mieritreritra ny loza lehibe hihatra amin’i Jerosalema, ka miteny amim-pitiavana amin’izy ireo hoe : « Ry zanakavavin’i Jerosalema, aza mitomany Ahy fa mitomania ny tenanareo sy ny zanakareo ».
Ry JESOA Kristy ô ; izay niteny tamim-pitiavana tamin’ireo zanakavavin’i Jerosalema, mifona Aminao izahay aoka ny lelanay mba hamoaka teny feno fitiavana mandrakariva.
Andriamanitra ô, aoka ho sitrakao mba hanatanjaka izay rhetra mijoro tsara ; ary hampionona sy hanampy izay kivy fo ; ary hanangana izay potraka, ary hanorotoro an’i Satana eo ambanin’ny tongotray amin’ny farany ; amin’ny alalan’Jesoa Kristy Tomponay. Amena.
Ny olona : Kristy ô, tahio
‘zahay Mba ho tia Anao kokoa.
Solo : Azon-ketaheta be
Noho ny rany mitete ;
Nefa mahatsiahy ireo
Vehivavy mitoreho.
Ny olona : Ieso ‘Lay nijaly ô
Mba tsarovy izahay.
Prosesiona : Avy taminay ihany
‘Zao manjo Anao izao :
Raiso ny fifonanay,
Ry Mpamonjy tsara ô.