Maro ny anjely naniry mba hanampy ny Tompony sy Mpamorona azy, nefa naleony nanaiky ny fanampiana avy amin’ny olombelona.
Jesoa Kristy Isaorana ô, noho Hianao nanaiky amimpanetrentena hampian’ilay Kyreniana, aoka izahay koa mba ho vonona lalandava hanampy ny namanay.
Andriamanitra ô, mifona Aminao izahay ; aoka ny fahasoavanao no hitarika sy hampandroso anay mba hanaovanay mandrakariva ny asa tsara rehetra ; amin’ny alalan’Jesoa Tomponay. Amena.
Ny olona : Kristy ô, tahio ‘zahay
Mba ho tia Anao kokoa.
Solo : Iza re no hanampy Azy ?
Io Simona entina eo :
Olona malemy e,
Ahitana hery be.
Ny olona : Hery ‘Zay nandefitra ô
Aherezo izahay.
Prosesiona : Avy taminay ihany
‘Zao manjo Anao izao :
Raiso ny fifonanay,
Ry Mpamonjy tsara ô.