Reraka ilay Herin’izao.tontolo izao ka lavo eo ambanin’ny Lakroa. Ny fahotantsika anefa no nitambesatra taminy bebe kokoa noho ilay entana hita maso. Natohony tamin’ny vovoka ny vavany sao mba misy fanantenana ahay na dia ny fangorahana Azy ihany aza amin’izany.
Ry Jesoa Kristy ô, mifona Aminao izahay : noho Hianao lavo tamin’ny tany tamin’ny dianao niakatra tany Kalvary, dia aza avela hisaraka Aminao izahay mba hahaizanay miarina rehefa lavo amin’ny fahotana.
Andriamanitra Tsitoha ô, Hianao mahalala fa mitoetra eto afovoan’ny loza maro sy lehibe izahay : ary noho ny fahalemenay olombelona dia tsy afaka hijoro tsara mandrakariva : koa omeo hery izahay hahazakanay izay rehetra manjo, ary arovy amin’ny fakam-panahy rehetra ; amin’ny alalan’Jesoa Kristy Tomponay. Amena.
Ny olona : Kristy ô, tahio ‘zahay
Mba ho tia Anao kokoa.
Solo : He mavesatra tokoa ;
Ka indro Izy potraka
He tsy manam-paharoa
Fitiavany anao.
Ny olona : Tompo ô, arenonao
Raha lavo izahay.
Prosesiona : Avy taminay ihany
‘Zao manjo Anao izao:
Raiso ny fifonanay,
Ry Mpamonjy tsara ô.