Fijanonanana 2


Retour

Ilay Isaka marina dia mandray ny hazo ho enti manao ny fanatitra. Koa ilay hazo tsinontsinona dia manjary famantarana hahavitana asa soa mahagaga, ka mampiseho fa hatramin’izao ny malemy dia mety handresy sy ho tonga mantajaka.

JESOA Kristy Isaorana ô, Hianao efa nandeha nialoha anay nitondra ny Hazo fijaliana : Omeo fahasoavana izahay hanarahanay Anao an-kafaliana sy hitondranay ny Hazo fijalina omenao ho entinay.

Andriamanitra Tsitoha ô, Hianao efa nanome ny Zanakao Lahitokana ho fanatitra noho ny ota sy ho fianarana ny fitondrantena sitrakao : Koa omeo fahasoavana izahay mba handray amim-pisaorana mandrakariva izany fanomezana soa indrindra izany, ary hanao izay tratry ny ainay hanaraka isan’andro ny fitondran-tenany masina indrindra ; amin’ny alàlan’Jesoa Kristy Tomponay. Amena.

Ny olona : Kristy ô, tahio ‘zahay

    Mba ho tia Anao kokoa.

Solo : He milanja hazo re

‘Lay Isaka mora be,

          Feo mandrara tsy mba re,

Ka ho faty Izy izao.

Ny olona : Ieso Tompo : ny Lakroa

Aoka hozakainay koa.

Prosesiona : Avy taminay ihany

‘Zao manjo Anao izao :

Raiso ny fifonanay,

Ry Mpamonjy tsara ô.

Numéro de page - 0