Fijanonanana 1


Retour

Mitsangana eo anatrehan’i Pilato ny Mpanavotra antsika ; voasatro-tsilo ny lohany ; mararin’ny kapoka ny Tenany. Avoaka ny didim-pitsarana mahatsiravina. Kanefa na dia azon’ny Tompo atao aza ny mandevona ilay mpitsara tsy marina amin’ny fofonain’ny vavany, dia tsy niloa-bava Izy.

JESOA Kristy Isaorana ô, noho ny aminay dia nozakainao ny didim-pitsarana nanameloka Anao ho faty na dia mangidy aza ; Mifona Aminao izahay, aoka anie mba ho renay any am-parany ny teninao mandidy anay ho any amin’ny fiainana mandrakizay.

Andriamanitra Tsitoha ô, mifona Aminao izahay, jereo amin’ny famindramponao ny olona, ary aoka mba harovan’ny fahasoavanao sy hotapahinao mandrakariva ny tenanay sy ny fanahinay ; amin’ny alalan’Jesoa Tomponay. Amena.

Ny olona : Kristy ô, tahio ‘zahay

Mba ho tia Anao kokoa.

Solo : Indro fa mitsangana

Ieso efa mangana :

Mety hotsaraina ety

Nefa ho Mpitsara ary.

Ny olona : Tompo ô, vonjeo ‘zahay,

Ka aza mba helohinao.

Prosesiona : Avy taminay ihany

‘Zao manjo Anao izao ;

Raiso ny fifonanay,

Ry Mpamonjy tsara ô.

Numéro de page - 0