Fanomboana


Retour

(Rehefa tapitra ny Fihirana anankiray momba ny Herinandro Masina dia mandohalika ny olona rehetra afa-tsy ny mpitondra Lakroa sy ny mpitondra jiro. Dia manomboka ny Mpitarika araka izao manaraka izao).

Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amena.

Tompo ô, mamindrà fo aminay,

Kristy ô, mamindrà fo aminay,

Tompo ô, mamindrà fo aminay.

Rainay Izay any an-danitra, Hohamasinina anie ny Anaranao : Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao : Ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. Ary mamelà ny helokay, tahaka ny amelanay izay meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amena.

Andriamanitra Tsitoha ô, ny fon’ny olona rehetra dia fantatrao, ary tsy misy miafina aminao : diovy amin’ny fanoloran-tsain’ny Fanahinao Masina ny hevitry ny fonay, mba ho tia Anao tokoa izahay, ary hankalaza ny Anaranao Masina araka izay mety ; amin’ny alàlan’Jesoa Kristy Tomponay. Amena.

(Dia hohirain’ny olona rehetra am-pandohalehana izao) :

Ry Ieso Kristy Tompo ô,

Miondrika izahay,

Handinika ao am-po izao

Ny Fijalianao.

Ny sainay mba tariho

Ombay ny hevitray.

(Dia mitsangana ny olona rehetra ; mitendry mozika malemilemy ny Organiste ; miantomboka ny Prosesiona tarihin’ny mpitondra Lakroa sy ny Sakristana roalahy mitondra jiro ary ny Mpanao solo – raha tsy ataon’ny mpitarika izany. Ny Mpitarika dia mandeha eo aorian’ireo ary ny mpihira manaraka azy. Ny Fiangonana rehetra koa dia mahazo manaraka azy aoriana milahatra tsiroaroa : ny ankizy no aloha indrindra, dia ny vehivavy vao ny lehilahy. Tsy tokony hajanona ny mozika raha tsy efa tonga milamina tsara eo amin’ny Sary misy ny FIJANONANAna 1 na ny toerana efa nokendrena rahateo hanaovana izany raha tsy misy sary ny mpandeha rehetra. Raha tsy misy Harmonia dia mamindra tsotra amin’izao izy. Rehefa tonga eo amin’ny toerana hanaovana ny FIJANONANAna ny olona dia handohalika izy ka hivavaka fohifohy. Dia hitsangana indray izy hanatrika ny Sary ary hihaino ny fanazavan’ny Mpitarika azy sy ny fivavahana. Raha tsy misy Sary dia hanatrika ny Lakroa sy ny Mpitarika ny olona. Tsy hihetsika na iza na iza raha tsy amin’ny hira amin’ny Prosesiona, ary isaky ny misy Prosesiona dia mandroso izy rehetra, tarihin’ny Lakroa ho amin’ny FIJANONANAna manaraka).

 

Numéro de page - 0