Ry jehovah tomponay


Retour

Ry Jehovah Tomponay
Ndreto ny tanoranao;
Vonona hiasa izahay
Ao an-tanimbolinao
Hanazava Nosinay
Ka toroy saina vao;
Hoderaina anbie Hianao, ry Ray
Ka tahio ny asanao!
Ry tanora, mivavaha!
Ry zatovo, miasa
Mba hanompo sy hanondrotra
Hanasoa ny Eklesia


2.Ry Jesoa Zoky tia,
Sady Andriamnitray:
Satrinay mba ho tafara-dia
Aminao mandrakizay
Koa ireo izay mania
Manalavitra Anao;
Ry Fanhy Masina ô, avia
Ampodio am-balanao


3.O! Ry Tompô, mba mombà
Ity fikambananay;
‘Reo mpisalasala sy mpandà
Yaomy mora re ry Ray!
Ka ny sainay hazavao,
Ampiraisonao ny fo;
Ary izay rehetra asa atao
Mba ho lazanao tokoa


4.Ry Tanora Malagasy
Vatosoam-pirenena
Mandrosoa aza milasilasy
Tanteraho izay rehetra nekena
Io no Tompo miantso anao
Ny fanevany jereo
Manolotra tena re izao
Fo sy saina mba omeo

Numéro de page - 373