DERA ho anao, ry Mpanjakanay any an-danitra
Andriamanitra Velona mandrakizay ô,
Misaotra Anao
Sy mankalaza Anao
Izahay olom-pidinao
2.Fa efa vita izao ny Fanatitra Masina
‘Zay nodidian’ny Zanakao-lahy hataonay,
Ry Rainay ô,
Raiso izany ka tahio
Izahay mandrakariva
3.Aoka hoderain’ny Anjelinao any an-danitra,
Ary ny olonao eto ambonin’ny tany,
Hianao ry Ray,
Hianao Mpamonjy anay;
Ary Hianao Parakleto
Amena