MIDERA izao, ry foko,
zavatra miafina,
dia ny Tenan’i Jesoa Kristy
‘Zay naterak’i Maria,
Sy ny Rany soa indrindra,
‘Zay nomeny ho antsika
2.Nidina tan-kibondreny
Kristy Zanaky ny Ray,
Dia nanome antsika
Fampianarana-marina,
Dia zava-mahagaga
No nataony farany
3.Koa nipetraka ny Tompo,
Mbamin’ny mpianany,
Hanefany ny Lalàna,
araka ny teniny;
Dia nomeny azy ireo
Mofon’aina velona
4.Fa ny Teny tonga Nofo,
Jesoa Kristy Tompontsika,
Dia nahatonga Mofo
Mba ho Tenany tokoa,
Sy Divay, ho Rany soa
Sakramenta Masina
5.Hianao, ry Jesoa Kristy,
No isaoranay izao,
Ny tandindona efa laza,
Tonga izao ny marina
Ka ny Tenanao sy Ranao
No itsaohanay tokoa
6.Dera, haja, laza, hery
Saotra voninahitra
Ho Anao, ry Ray Tsitoha
Ho Anao, ry Parakleto
Trinité Isaorana
Amena