RY Kristy ô, Mpamonjy anay
Hianao no ivavahanay
Ka aoka hanampy anay izao
Ny fivavahan’ny Reninao
2.Ireo Anjely maro be,
Mpanomponao an-danitra,
Aoka izy hivavaka ho anay,
Ho afa-doza izahay
3.Ny Apostoly masina,
Ireo Profeta tsara koa,
Aoka izy hifona aminao
Mba hamelanao helokay
4.Ny hamaroan’ny maritiora,
Mitafy lamba fotsy soa,
Aoka izy hivavaka aminao,
Hiarahanay mandresy koa
5.Ny virijina ‘zay madio tokoa
Sy ireo mpitoka-monina,
Aoka izy hivavaka aminao
Mba hahatongavanay ary
6.Ry Kristy ô, Mpiandry soa
Roahy ny amboadia
Mba ho andiany iray,
‘Zahay sy ireo Santanao
7.Deraina anie ny Ray Tsitoha
Deraina koa ny Zanaka
Sy Parakleto Masina
Dia Trinité Isaorana
Amena