RY Kristy ô, derainay Santa Jaona
Mpanao-batisa, Maritiora, Profeta,
Nataonao ho miendrika ho mpandova
Ny fanjakanao
2.Samy mandray ny valin”ny nataony
Avy aminao ny olona rehetra
Ny voka-tsoa raisin’i Santa Jaona
Dia zato heny
3.Aoka hanampy anay ny fivavahany
Hanamboaranay ny fo maditra
Mba ho fonenanao, ry Jesoa Kristy
Madio sy tsara
4.Mpamonjy ô, mba diovy ny fanahinay
Hankatoavany Anao tokoa,
Ka hanarahanay ny dian’ny Santa,
Lalana marina
5.Midera Anao ny Santa sy Anjely
Andriamnitray sy Tomponay ô,
Henoy ny vavaky ny Kristiana
‘Zay novonjena
Amena