INDRO, ny aizin-alina misava
Mamirapiratra any atsinanana
Ny masoandro; aoka isika hidera
An’i Jesoa Tompo
2.Hianao, ry Tompo soa, no ivavahanay
Mba avelao ny helokay mpanota,
ka hiadananay sy hahazoanay
ny famonjenao
3.Ekeo ny vavakay, ry Ray Tsitoha
Zanaka, Parakleto, Zanahary;
Anao ny voninahitra sy laza
Mandrakariva. Amena