RY Jesoa, tompon-danitra ô,
Mpamonjy izao tontolo izao
Hianao no Zanaky ny Ray
Sy Zanak’i Maria koa
2.Mba asandrato izahay
Hidera sy hisaotra Anao
Ka raiso re ny hiranay
Izay ataonay ho Anao
3.Fa lasa izao ny alina,
Mazava koa ny lanitra
Mba hazavao ny olonao,
Ry Fahazavana masina
4.Diovy ny fanahinay
Ka mitoera ao aminay,
Mba hanompoanay Anao
Mandritra ny fiainanay
5.Velomy ao anatinay
Ireto fahasoavanao,
Finoana, fanantenana,
Fitiavana tanteraka
6.Deraina anie ny Ray Tsitoha
Deraina koa ny Zanaka
Sy Perakleto Masina
Dia Trinite Isaorana
Amena