Fivavahana ho an’ny fanjakana


Retour

ANDRIAMANITRA be fahasoavana indrindra ô, mangataka aminao izahay ho an’ny Fanjakana izay mitondra anay, indrindra ho  an’ny Prezidà sy ny manam-pahefana rehetra. Aoka ho sitrakao hitarika ny fiheverany rehetra hampandrosoana ny voninahitrao, hanatsarana ny Eklesianao, hiarovana sy hanambinana ity tany ity: handaharany sy hahavitany ny zavatra rehetra amin’ny fanorenanatsara sady mafy tokoa, mba hitoetra eto aminay ny fihavanana sy ny fahasambarana, ny fahamarinana, sy ny fahitsiana, ny fihavanana marina sy ny fahamasinam-panahy, hatramin’ny taranaka fara mandimby. Izany mbamin’izay rehetra hahasoa ny Eklesianao no angatahinay amim-panetren-tena amin’ny alalan’I Jesoa Kristy Tomponay Isaorana sy Mpamonjy anay Amena.

Numéro de page - 25