Handohalika ny Ministera ka hiara-manao ny Fivavahan’ny Tompo izy sy ny olona..
RAINAY Izay any an-danitra Hohamasinina anie ny Anaranao: Ho tonga anie ny fanjakanao: Hatao anie ny sitraponao: Ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. Ary mamelà ny helokay, tahaka ny amelanay izay meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy: Fa manafaha anay amin’ny ratsy: Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay Amena.
Dia ataon’ny Ministera hoe:
Tompo ô, sokafy ny molotray
Valiny
Dia hanambara ny fiderana Anao ny vavanay
Ministera
Andriamanitra ô, faingàna hamonjy anay
Valiny
Tompo ô, faingàna hanampy anay
Dia hitsangana izy rehetra, ka ny Ministera no hanao hoe:
Ho an’ny Ray, sy ny zanaka : ary ny Fanahy Masina anie ny voninahitra:
Valiny
Tahaka ny hatramin’ny taloha, sy ankehitriny: ary mandrakariva, ho mandrakizay, doria. Amena
Ministera
Miderà ny Tompo hianareo
Valiny
Hoderaina anie ny Anaran’ny Tompo